Fifidianana : vao maika nasafotofoton’ny Praiminisitra ny lalàna sy ny daty hanatanterahana azy

0

Te hanao ny asan’ny governemanta sy ny mpanao lalàna ny mpanao politika sy ny firahamonimpirenena mitaky ny famoahana ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana hoy ny praminisitra omaly. Tsy misy datim-pifidianana mazava navoakan’ny governemanta hatreto, daty izay angatahin’ny mpanao politika hatramin’ny faran’ny taona 2017.