Fihaonana Andry RAJOELINA – praiminisitra Morisiana : teboka 4 no nisongadina

0

Teboka 4 lehibe no nisongadina nandritra ny fihaonan’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara sy ny praiminisitra maurisiana androany. Teboka hitondrana fanatsarana amin’ny sehatra samihafa isan’izany ny lafiny indostrialy, fahasalamana, fitaterana an’habakabaka ary ny fampianarana ambony izay hiaraha-miasa amin’izy ireo.