Fihaonana – Solombavambahoaka – Governemanta : naharitra ora 14 mahery

0

Tontosa tetsy amin’ny CCI Ivato omaly tontolon’ny andro, ny fihaonana teo amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka erak’i Madagasikara. Fihaonana izay nametrahan’ireo Solombavambahoaka fanontaniana mivantana tamin’ny Praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Maro ireo fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka momba ny raharaham-pirenena, fihaonana teo amin’ny roa tonta izay naharitra ora 14 mahery.