Fihaonan’ny Solombavambahoaka sy ny Governemanta : Ahiana ho sarimihetsika

0

Tontosa  omaly maraina ihany ny fihaonana teo amin’ny governemanta sy ny solombavambahoaka rehefa nihemotra iray andro. Fihaonana izay takian’ny andininy faha- 101 sy 102 ny Lalàmpanorenana. Fihaonana izay efa heverin’ny mpanara-baovao maro fa tsy hitondra vahaolana hialana amin’ny fahantrana lalina mahazo ny vahoaka nohon’ny fivadibadiana palitao ataon’ireo solombavambahoaka sasany.