Fikambanana Fitia : sekoly 4 no notsinjarainy ny vatsy tsinjo avy amin’ny fitondrana

0

Sekoly maro teto an-drenivohitra no nizaran’ny vadin’ny filohan’ny repoblika ny vatsy tsinjo avy amin’ny fitondram-panjakana. 140 ohatra ny mpampianatra nisitrak’izany teny anivon’ny CEG Nanisana. Hitondra fahavitriana ho an’ny mpampianatra amin’ny fanohizana ny fampianarana anatin’ny fiatrehana ny valan’aretina ny fanampiana toy izao hoy ny talen-tsekoly eny an-toerana.