Fikasian-tanana mpitondra Bajaj : miisa 2 ireo naiditra am-ponja vonjimaika any SAMBAVA

0

Lehilahy miisa 2 ankehitriny no fantatra fa naiditra amponja vonjimaika any Sambava taorian’ny tranga fanakanana sy fikasian-tanana mpitondra Bajaj nanao ankanjon’ny antoko eo amin’ny fitondrana ankehitriny ny herinandro lasa teo.  Nisy ny toromarika avy amin’ny tompon’andraikitra nikarohana ireo nanao ny fanararaotana nandritran’ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpandraharaha lavanila tany an-toerana izay nihafara tamin’ny fisamborana.