Notanterahiana tany Antsohihy androany ny filankevitry ny gouvernora voalohany izay notarihan’ny filohan’ny repoblika ny Praiminisitra sy ireo ministra sasany eo anivon’ny Governemanta ary ireo governora. Tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana amin’ny faritra ireo governora, raha fanazavana.