Filoha mpisolo toerana : misy andinin-dalàna maro mametra ireo tsy azony atao

0

Afaka mandray ny andrikitry ny filoha amin’ny maha filoha mpisolo toerana azy ny filoha Rivo RAKOTOVAO, saingy misy andinin-dalana maromaro mametra ireo tsy azony atao, araka ny fanapahana navoaky ny HCC, mitondra ny laharana fah 7-HCC/AV ny faha 7 ny volana Septambra 2018. Ny Filoha voafidim-bahoaka ihany no afaka mampihatra ireo andinin-dalàna maromaro ireo.