Filoham-panjakana vahiny  : niarahaba sy nirary soa ny filoha Andry RAJOELINA

0

Manao tohivakana ny fiarahaban’ny filohampanjakana vahiny maro ny filohampirenena malagasy Andry Rajoelina. Filohampirenena maro sy praiminisitra ary olomanankaja vahiny maro no nanoratra taratasy firariantsoa ary ho avy eto Madagasikara hanatrika ny fianianana ataon’ny filoha vaovao ny sabotsy izao eny Mahamasina. Nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ni Madagasikara amin’ny sehatra rehetra ihany koa izy ireo.