Filohan’ny Antenimierampirenena : azo enjehina araka ny lalàna ny solombavambahoaka mihoam-pefy

0

Namafisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena mazava androany fa tsy voaaron’ny zo tsy azo enjehina ny solombavambahoaka mihoa-pefy amin’ny endriny maro. Tafiditra anatin’izany ny famingavingana na fivoizana lainga anaty haino amam-jery itaomana olona hankahala na hanozingozina fitondrana tsotra izao.