Filohan’ny Antenimierampirenena : tsy midika ho fandikana lalàna ny zo tsy azo henjehina

0

Manoloana ny fitarainana sy ny fanakianana mahakasika ny Solombavambahoaka tato anatin’ny volana vitsivitsy, nandefa taratasy ho an’ny solombavambahoaka tsirairay avy ny filohan’ny Antenimierampirenena ka nampahatsiahy azy ireo ny adidy sy andraikitra sahaniny. Manala baraka sy manendrikendrika ny mpitondra fanjakana ny teniteny foana sy ny filazana zavatra tsy misy porofo hoy izy.