Filohan’ny CENI : tsy nisy ny fikasana hanao hosoka nandritra ny fifidianana ny taona 2018

0

Tsy nisy ny fampiasana hosoka niainga avy amin’ny laharana karapanondro sy anarana miverimberina niteraka resabe nandritra ny fifidianana ny taona 2018, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny CENI vaovao. Na izany na tsy izany, maro ny tsy fahatomombanana tamin’ny fandikana ny mombamomba ny olompirenena anaty ny lisi-pifidianana araka ny antontan-kevitra voarain’ny filohan’ny CENI vaovao nandritra ny famindram-pahefana androany.