Hémoparasites no aretina mahazo ireo omby amina faritra 04 eto Madagasikara amin’izao fotoana izao hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fiompiana. Efa voafehy ny aretina na nisy aza ny fahatarana ka nampiparitaka izany raha ny fanazavana, saingy tokony samy ho mailo ny mpiompy.