Fiovan’ny toe-draharaha iraisam-pirenena : tokony hijery ny tombotsoa ambonin’ny firenena ny mpitondra

0

Miova ny fomba fijerin’ny vahoaka maneran-tany raha oharina amin’ny zava-misy amin’ireo firenen-dehibe. Ny fialan’ny Anglisy tamin’ny vondrona eoropeana, ny fahalanian’ny filoha amerikana Donald Trump ary ny ao Frantsa, amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny volana May izao. Tokony hanova ny diplaomasia ny mpitondra hifanaraka amin’ny rivom-piovana maneran-tany hoy ireo mpamakafaka sy mpandinika ny fifandraisana iraisam-pirenena.