Firenena mikambana : zava-dehibe ny fisorohana mialoha ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetr’andro

0

Zava-dehibe ny fahafahana misoroka mialoha ny voka-dratsy mety hateraky ny fiovan’ny toetr’andro sy ireo loza voajanahary eto Madagasikara, hoy ny Solontenana manokan’ny Sekretera Jeneraly ny Firenena mikambana, izay nitsidika ny tapany atsimon’ny Nosy. Ny fisorohana mialoha izay miantraika mivantana amin’ny sosialin’ny mponina ihany koa noho izy ireo ho afaka mamokatra.