Fitadiavana Lalam-barotra any ivelany : sakana goavana ho an’ireo mpandraharaha malagasy

0

Tsy mahita lalam-barotra ireo mpandraharaha eto Madagasikara, indrindra ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany. Antony, tsy ampy ny fampahafantarana omena azy ireo raha ny fanazavana. Tombony ara-toekarena maromaro no setrin’ny fahitana lalam-barotra any ivelany saingy tsy mbola voatrandraka izany eto Madagasikara raha ny fanazavan’ny filohan’ny  tranoben’ny varotra eto Madagasikara omaly.