Fitokonan’ny mpandraharaha : efa eo am-pikarakarana ny famahana ny olana ny fanjakana

0

Efa eo ampamahana ny olana ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao mahakasika ny fitakian’ireo mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite araka ny fanazavana azo tamin’ity androany ity. Ny fisian’ny kajy tsy mirindra no mahatonga ny fahataran’ny fandoavan-karama ho an’ny mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite an’Antananarivo raha ny nambaran’ny Minisitra tomponandraikitra.