Fitrandrahana fasimainty ataon’ny orinasa Base Toliara ao Atsimo Andrefana : tsy mbola milamina

0

Tonga eto Antananarivo ny solontenan’ireo mponina ao amin’ny foko Masikoro sy vezo any amin’ny faritra Atsimo Andrefana amin’izao fotoana izao, hiaona amin’ny tomponandraikim-panjakana noho ny raharaha Base Toliara. Tsy eken’izy ireo ny fanaovana letrezana hitrandrahana ny tanin’izy ireo.