Fitrandrahana Fasimainty : maty avokoa ny trondro fiveloman’ny mponina

0

Nahitana trondro maty maromaro tao amin’ny Reniranon’Ambavarano ao amin’ny Fokontany Andrakaraka Taolagnaro. Nahitana fasimainty marobe ihany koa. Vao voalohany no nahitana tranga tahaka izao hoy ny solombavambahoaka avy any an-toerana izay manahy mafy ny fahasalaman’ny mponina miaina sy mivelona amin’ny rano.