Fitrandrahana : tokony hampiditra hatramin’ny 30%n’ny hetra

0

Tsy voatery hanaraka ny fenitra EITI ny fitrandrahana eto Madagasikara vao hisy ny fangaharahana raha ny hevitry ny fiarahamonim-pirenena. Tsy ny antsasaky ny harena ankibon’ny tany trandrahana sy ahondrana any ivelany ihany no voasoratra sy fantatry ny fanjakana malagasy raha ny tatitry ny EITI. Ankilan’izay, mbola tsy voafaritra marina ihany koa ny toeran’ny fitrandrahana eto Madagasikara ary izay no antony mahagaboraraka io sehatra io.