Fitsarana Anosy: misy peta-drindrina mametra ho 10 ny isan’ny fitoriana raisina

0

Tato anatin’ny andro vitsy, ahitana peta-drindrina izay milaza fa tsy mandray afa-tsy fitoriana folo isanandro manoloana ny vavarana fidirana eo anivon’ny fampanaovana ao amin’ny fitsarana Anosy. Hatreto, tsy mbola misy ny fanazavana ofisialy mikasika io fanovana io. Fandikan-dalàna ny famerana ny fandraisana fitoriana eo anivon’ny fampanoavana raha ny nambaran’ny holafitry ny mpisolovava.