Fizahantany anatiny : tsy nanonitra ny fatiantoky ny mpisehatra eo amin’ny fizahantany

0

Tsy  namaly ny antso amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny ny malagasy. Tsy nanonitra ny fatiantoka nateraky ny fidin’ny sisintany izany  arak’izany ny fizahantany anatiny raha ny fanadihadiana natao. Mitaky hatrany ny fanokafana ny sisintany, ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany ary milaza ho vonona amin’ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra.