FMI : anatin’ny fifampiresahana mikasika ny FEC ny fitondram-panjakana ankehitriny

0

Miroso amin’ny fifampiresahana momba ny mety ho fisitrahan’i Madagasikara famatsiam-bola amin’ny alalan’ny fandaharan’asa FEC na ny Facilité Elargie de Crédit manaraka  indray ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny FMI na ny Fonds Monétaire International ankehitriny. Ho an’ny mpahay toekarena, tokony hiompana amin’ny fanarenana ny toekarena izay tratry krizy noho ny Covid-19 ny fihindramam-bola ho tontosaina io.