FMI : Mbola mametraka fepetra amin’ny fitondrana Malagasy.

0

Mbola mametraka fepetra amin’ny famoahana ny ampahany manaraka amin’ny famatsiambola FEC na Facilité Elargie de crédit ny FMI. Ny iraka tamin’ity volana martsa ity no tapitra saingy mbola mitohy ny fifampidinihana sy tomban’ezaka atao amin’ny fitondrana malagasy. Ny olan’ny orinasam-panjakana Jirama sy Air Madagascar  ary ny fahamarinan-toeran’ny vola malagasy no tsy maintsy hovahan’ny mpitondra malagasy ahafahana mamoaka ny ampahany amin’io famatsiam-bola io.