FMI : nankatoavina ny fanomezana 312,4 Tapitrisa dolara an’i Madagasikara

0

Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny FMI ny fanomezana 312,4 Tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny FEC na ny Facilité Elargie de Crédit, mandritry ny 40 volana. Hanohanana ny programam-panjakana mahakasika ny fanavaozana ara ekonomika entina hampihena ny fahantrana sy hahazoana fitombon’ny ari-karena maharitra ity famatsiam-bola ity.