FMI : Tsy mazava ny fepetra andinihany ny asan’ny governemanta.

0

Tao aorian’ny fandalovan’ny FMI farany nanao ny fitsirihana amin’ny asa nataon’ny governemanta malagasy, nilaza ny FMI tao amin’ny tatitra fa misy ny fivoarana amin’ny asan’ny governemanta amin’ny fahaiza-mitantana. Raha ny zava-misy anefa, samy manameloka ny fihetsiky ny mpitondra ny mpanara-baovao amin’ny famelana malalaka ny mpanolontsainan’ny filoha voarohirohy tamin’ny fanodikodinam-bola.