Fokontany Avaratra Ankatso: natomboka androany ny fizarana ireo boky tany miisa 583

0

Natomboka androany ny fizarana boky tany miisa maherin’ny 580 ho an’ny fokontany Avaratra Ankatso anatin’ny boriboritany faha-2 ato anatin’ny faritra Analamanga. Miisa 200 no nisitraka izany androany.  Tanim-panjakana, tafiditra amin’ny ampahan-tanin’i Fort Dushene domaine, no nangatahin’ireo mpisitraka, ary nanaovana ny dingana rehetra amin’ny fangatahana faobe hifanarahana toa izao, ka namoahana ireo titre ireo. Nanamafy ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananantany  fa isany manafaingana ny asan’ny fanjakana ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka sy ny tsy fisian’ny olana amin’ny tany voakasika.