Fonjan’Imerintsiatosika : efa mahafeno ny fepetra rehetra, ary afaka mandray voafonja

0

Fonja vaovao miisa dimy no haorina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao hialana amin’ny fahafenoan’ny fonja, misy amin’izy ireo no efa andalam-panamboarana ary misy ihany koa no efa vita tanteraka amin’izao fotoana izao tahaka ny fonjan’Imerintsiatosika izay efa nandraisana voafonja. Ankoatra io, mpandraharaha ny fonja miisa 500 no horaisina amin’ity taona ity entina hanamafisana ny fiambenana ny voafonja.