Fosokafan’i Nosy Be : efa maro ny mpizahantany namadri-toerana

0

Maro amin’izao fotoana izao ny famandrihan-toerana ataon’ireo mpizahatany maniry ny hitsidika an’i Nosy Be. Taorian’ny naneken’ny filohan’ny Repoblika ny hisokafan’ny sidina ny volana oktobra izao, nambaran’ny CTM na ny Confédération du Tourisme Madagascar fa efa vonona ny mpisehatra amin’ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalama rehetra. Na izany aza, maro no tsy mbola afaka mamerina tahaky ny teo aloha ny mpiasa ao aminy nohon’ny fatiantoka nisy.