FRAM : vola 5 miliara sy 540 tapitrisa ariary no hatokana handoavana ny karaman’izy ireo

0

Natomboka androany tao amin’ny faritra Boeny ny fizarana ny Tosika Fameno ho an’ireo mpampiantra ary vola mitentina 5 miliara sy 540 tapitrisa ariary no natokan’ny fitondram-panjakana handoavana ny karaman’ireo mpampiantra FRAM miisa 55.409 manerana ny Nosy. Ankoatra izay, notokanan’ny filohan’ny repoblika androany ihany koa ny tranon’ny kolotsaina tao amin’ny faritra Boeny.