GASYCAR : naseho tamin’ny fomba ofisialy androany

0

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany ny endriky ny fiara GASYCAR, izay hovokarin’ny firenena malagasy. Tsy latsa-danja amin’ny fiarakodia vokarin ‘ireo firenen-dehibe any ivelany ny GASYCAR hoy ny filohan’ny repoblika. Ankoatran’ny fiarakodia, misy ihany koa ny MOTO marque GASYCAR, izay naseo tamin’ny fomba ofisialy androany ary ho tazana mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena.