Nanantontosa fanaovan-tsonia fanemorana ny fandoavana trosa omaly ny governemanta Frantsay sy ny governemanta Malagasy. Trosa mitentina maherin’ny 1 600 000 Euros, tamin’ny alalan’ny Agence Française de Développement no voakasik’izao fanemorana izao. Fanehoan’ny governemanta Frantsay fanohanana an’i Madagasikara manoloana ny krizy manerantany nateraky ny Covid-19 izao fanaovan-tsonia izao raha ny fanazavana.