Hetsika Soamandrakizay : mbola miandry fanomezan-dalàna avy amin’ny prefektiora

0

Ny alakamisy izao no ho fantatra na hahazo alalana na tsia ny hetsika fanaovana tatitra kasain’ireo Solombavambahoaka avy amin’ny antoko mpanohitra eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay raha ny fanazavana avy amin’ny prefektioran’Antananarivo androany. Ankilany, tokony hanaja ny mpitondra ireo mpanohitra ary hahay hiandry ny fahataperan’ny fotoam-piasana ka hiandy fifidianana fa tsy vaha olana ny fanonganam-panjakana hoy ny KMF CNOE.