Hiaraka isika

0

Anisan’ny antoko politika iray mivondrona ao anaty ARMADA nanaja ny teny nifanarahana amin’ny fanolorana kandida tokana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny antoko HIARAKA ISIKA izay tarihin’ny Jeneraly Camille VITAL. Ny faha 30 ny volana Aogositra, nanao fanambarana hanohana ny kandida Andry RAJOELINA ity antoko ity.