Ikongo : afaka hivezivezena ny lalana miainga eo Ifanadiana hihazo an’Ikongo

0

Herinandro taorian’ny fanesorana ireo sakana toy ny fihotsahan’ny tany, fianjeran’ny hazo sy vato afaka ivezivezena ankehitriny ny lalana miainga eo Ifanadiana hihazo an’Ikongo, na eo aza ny faharatsiany. An-dalana ny famotorana, fijerena ifotony, hahafahana mamantatra ny isan’ireo tsy hita popoka, sy ireo namoy ny ainy hoy ny eo anivon’ny Zandary.