« Iles Eparses » : hajoro alohan’ny 18 Novambra izao ny Vaomiera iombonana

0

Taorian’ny fanambarana nataon’ny filoha frantsay Emmanuel Macron tao amin’ny Nosy Glorieuses, naneho ny heviny ny hariva teo ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara ary nilaza fa vonona ary matoky fa hiaro ny hambopom-pirenena. Hajoro alohan’ny 18 Novambra izao ny Vaomiera iombonana momba ireo nosy Eparses ireo, hoy hatrany ny filoha.