Immunité Parlementaire : lasa fialokalofan’ny Solombavambahoaka

0

Zary lasa fialokalofana ho an’ireo Solombavambvahoaka ny fananana’izy ireo ny Immunité Parlementaire raha ny fanehoan-kevitry ny APM na ny Antoko Politika Madio androany. Raha hanana porofo mazava fa nanao heloka ny olona iray izay manana ny Immunité Parlementaire, tsy tokony hisy atakandro ny fanesorana izany Immunite izany ahafahana manenjika azy mba tsy hisian’ny fitanilana eo amin’ny raharaham-pitsarana.