IPC 2019 teto Madagasikara : nahazo isa 24 amin’ny 100

0

Nihemotra isa iray indray i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly na ny indice de perception de la Corruption, raha ny tatitra navoakan’ny Transparency International androany. Isa 24 amin’ny 100 no azony raha toa 25 amin’ny 100 izany ny taon-dasa. Ankoatry ny tsy fahampian’ny fanarahan-dalàna eto amin’ny firenena, isany antony nampiemotra ihany koa ny tsy fahampian’ny fangaraharahana eo amin’ny lafiny ara-politika.