ITM : nitsidika teny ny Filohan’ny Repoblika

0

Hetsika goavana amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasikara ny ITM, hoy ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara nandritry ny fitsidihany ireo trano heva teny amin’ny CCI Ivato androany. Mamporisika ireo mpandraharaha vahiny hampiasa vola eto Madagasikara ny hetsika toy izao, hoy hatrany ny Filoha RAJOELINA Andry. Nasiany resaka ihany koa ny momba ny vidin-jiro sy vidin-tsolika eto amintsika nandritra ity fitsidihina ity.