« IVOTORO » : tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany

0

Tontosa ny maraina teo tetsy Nanisana, ny lanonana ofisialy nanokafana ny IVOTORO na ny Ivon’ny Torohay. Ivo-toerana hifanakaikezan’ny olom-pirenena amin’ny sampan’asam-panjakana, izay isan’ireo ratsa-mangaika vaovaon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ho fanatanterahana ny velirano fahatelon’ny filoha no nametrahana ity ivon-toerana ity ary hanampy amin’ny ady amin’ny kolikoly.