JESOSY MAMONJY : ahiana hiitatra amin’ny adim-poko ny olana miseho

0

Mitohy hatrany ny disadisa eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy amin’izao fotoana. Ny alahadin’ny Paka omaly, teny Tsarahonenana, tsy navela hivavaka teo an-tokotanim-piangonana ireo mpino. Ny fiangonana rahateo efa tsy mahazo misokatra intsony noho ny fanakatonana avy amin’ny Prefet.