JIRAMA : hiverina amin’ny ara-dalàna ny fandoavana ny faktiora manomboka ny volana septambra

0

Miverina amin’ny laoniny ny fandoavana ny faktiora ny JIRAMA manomboka amin’ity volana septambra ity raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny JIRAMA. Ny faktiora ny vola aogositra izay fandaniana ny volana jolay, no mbola afaka hanaovana ny fanemorana ny fandoavana azy.  20 hatramin’ny 30%n’ireo mpanjifa no nanao ny auto-relevé  ny fandaniana tao anatin’ny fihibohana.