Jirama Water 3 : nahazo fampindramam-bola avy amin’ny Vondrona Eropeana

0

Tetibola manodidina ny 70 tapitrisa euros. Izay no entina manatsara ny famatsiana rano fisotro madio eto Antananarivo na ny Jirama Water 3 (three). Fiarahamiasa eo amin’ny vondrona eropeana sy ny governemanta malagasy. Tontosa androany tetsy amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny fanjakana Malagasy, ny vondrona eropeana sy ny banque européenne d’investissement.