Journée de l’Afrique : zava-dehibe ny fifanomezan-tanana amin’ireo firenena Afrikana

0

Tsy maintsy mifanome tanana ireo Firenena Afrikana miisa 55 hahafahana miady amin’ny tsy fahampiana ara-tsakafo hoy ny Solontena manokan’ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara, nandritry ny fankalazana ny Journée de l’Afrique teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy androany. Ny vondrona Afrikana izay nanamafy ny fahavononany hanohana hatrany an’i Madagasikara.