Kabary faran’ny taona : niniana tsy nasiana nohon’ny tsy fahombiazana ?

0

Sambany teo amin’ny tantaran’ny Repoblikan’i Madagasikara no tsy nisian’ny kabary fitanisana ny zava-bita sy firariantsoa fanaon’ny Filohampirena isaky ny faran’ny taona tamin’ny Alahady alina faha-31 desambra lasa teo. Heverin’ny mpanara-baovao fa ny tsy fisian’ny zava-bita nivaingana vokatry ny tsy fahaiza-mitantana no anton’ny nanafoana io fomba fanao io.