Kaominina Alasora : tsy ampy ny fiara fitateram-bahoaka

0

Mampitaraina ny mponina ny tsy fahampian’ny fiara fitateram-bahoaka indrindra ny ZOTRA SUBURBAINE eny Alasora. Tsy ampy 50 ny fiara mampitohy ireo fokontany maro ahitana mponina an’aliny tafiditra anatin’ny tapany ambonin’ny kaominina. Antso avo arak’izany no nataon’ny ben’ny tanàna ny tomponandraikitra voakasika ho fanatsarana ny fitateram-bahoaka.