Kaominina Ivato : nosoloina TIM avokoa ireo filoham-pokontany

0

Tsy eken’ny vahoaka ao Ivato raha ny fanehoankevitr’izy ireo ny fanoloana ny sefo fokontany 7 amin’ireo fokontany 8 mandrafitra ny kaominina. Kajikajy amin’ny fiatrehana ny fifidianana manaraka no andraisan’ireo voakasika ny fanalana azy ireo. Takian’ny vahoaka ankilany ny hanatanterahana ny fifidianana filohampokontany izay tomponandriakitra boalohany amin’ny fampandrosoana ifotony.