Kaominina Malaimbandy : manjaka tokana ireo mpaka an-keriny

0

Mitaraina ny mponina ao amin’ny Kaomininan’i Malaimbandy manoloana ny firongatry ny fakana olona an-keriny na “kidnapping” any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny 29 andro dia efa nahatratra 9 ireo olona nisy naka an-keriny. Miraviravy Tanana ihany koa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana manoloana izany.