Krizy – Fifidianana : olana ny tsy fisian’ny fifampitokisana

0

Ny tsy fisian’ny fifampitokisana amin’ny mpiantsehatra rehetra mikasika ny fifidianana no antony hiverenan’ny krizy politika hatrany eto Madagasikara, indrindra ny krizy aorian’ny fifidianana raha ny fanazavana. Betsaka ny pitsopitsony miteraka io tsy fahatokisana io hoy ny manampahaizana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, isan’izany ny eo anivon’ny HCC.