Lalam-pirenena faha-6 : hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana manontolo

0

Havaozina manontolo ny lalam-pirenena faha-6 miainga eo Ambanja hatrany Antsiranana ary efa lasa any amin’ny Banque Européen d’Investissement izay hamatsy ny vola ny lisitr’ireo orinasa afaka anao ny asa. Eo am-piandrasana ny fanadihadiana tanterahan’ny BEI, mandeha ny asa maika ankehitriny, mitohy ihany koa ny fanamboarana ny lalana Rn5A.